Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 14:8-18 Malagasy Bible (MG1865)

8. Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?

9. Dia toy izany koa ianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin'ny rivotra ianareo.

10. Misy fiteny maro samy hafa amin'izao tontolo izao, ka samy manana ny heviny avy.

11. Koa raha tsy mahalala ny hevitry ny fiteny aho, dia ho vaka amin'izay miteny, ary izay miteny ho vaka amiko kosa.

12. Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra.

13. Koa aoka izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.

14. Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.

15. Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho.

16. Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy.

17. Fa ianao dia misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina.

18. Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho;

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 14