Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 14:30-40 Malagasy Bible (MG1865)

30. Fa raha misy tsindrian'ny Fanahy ao am-pipetrahana, dia aoka hangina kosa ny voalohany;

31. fa mahazo maminany tsirairay ianareo rehetra, mba hianaran'izy rehetra sy hamporisihana azy rehetra;

32. ary ny fanahin'ny mpaminany dia manaiky hozakain'izy mpaminany.

33. Fa Andriamanitra tsy tompon'ny fikotronana, fa tompon'ny fiadanana. Araka ny fanaon'ny fiangonan'ny olona masina rehetra,

34. dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara araka ny lazain'ny lalàna koa.

35. Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy.

36. Avy aminareo va no nihavian'ny tenin'Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany?

37. Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin'ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.

38. Fa raha misy tsy mahalala, dia avelao tsy hahalala ihany izy.

39. Koa amin'izany, ry rahalahiko, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra;

40. kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin'ny fahamendrehana sy ny filaminana.

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 14