Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 12:1-15 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny amin'ny zava-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo.

2. Fantatrareo fa fony jentilisa ianareo, dia nentina tany amin'ny sampy moana araka izay nitaomana anareo.

3. Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina.

4. Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.

5. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.

6. Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra.

7. Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa.

8. Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,

9. ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany,

10. ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra.

11. Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.

12. Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.

13. Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.

14. Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro.

15. Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tanana aho, dia tsy mba momba ny tena, amin'izany dia tsy momba ny tena va izy?

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 12