Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 10:24-33 Malagasy Bible (MG1865)

24. Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.

25. Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana;

26. fa an'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy (Sal. 24. 1).

27. Ary raha misy amin'ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha ianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana.

28. Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin'ny sampy io, dia aza homana noho ny amin'ilay nilaza sy ny fieritreretana.

29. Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an'ny tenanano, fa ny an'ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain'ny fieritreretan'ny olon-kafa?

30. Fa raha amin'ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin'izay anaovako fisaorana?

31. Koa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.

32. Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan'Andriamanitra,

33. dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 10