Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Zefania 2:9-13 Malagasy Bible (MG1865)

9. Koa raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, Dia ho tahaka an'i Sodoma tokoa Moaba, Ary ny taranak'i Amona ho tahaka an'i Gomora, Dia ho alan'amiana sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; Ny sisa amin'ny oloko no hamabo azy, ary ny sisa amin'ny oloko no hahalasa azy.

10. Izany no ho valin'ny avonavony, Satria nandatsa ny olon'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy nirehareha taminy izy.

11. Hahatsiravina azy Jehovah, Satria hahamosarena ireo andriamanitra rehetra ambonin'ny tany Izy, Mba hiankohofan'ny any amoron-tsiraky ny jentilisa rehetra eo anatrehan'i Jehovah, Samy any amin'ny fitoerany avy.

12. Hianareo Etiopiana koa, Ho voatrabaky ny sabatro ianareo.

13. Ary haninjitra ny tànany hamely ny avaratra Izy Ka handringana an'i Asyria; Ary hahalao an'i Ninive ho karankaina tahaka ny efitra Izy.

Vakio ny toko manontolo Zefania 2