toko

  1. 1
  2. 2
  3. 3
  4. 4
  5. 5
  6. 6
  7. 7
  8. 8
  9. 9
  10. 10
  11. 11
  12. 12
  13. 13
  14. 14

Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Zakaria 5 Malagasy Bible (MG1865)

Fahitana fahenina: ny amin ilay horonan-taratasy manidina, sy ravehivavy ao anatin'ny vata famarana

1. Dia natopiko indray ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy horonan-taratasy manidina.

2. Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany.

3. Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin'ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa.

4. Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy ao an-tranon'izay mianian-tsy tò amin'ny anarako ary hitoetra ao amin'ny tranony ka handevona azy mbamin'ny hazony sy ny vatony.

5. Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io.

6. Dia hoy izaho: Inona moa io ? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana 'mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin'ny tany rehetra

7. (ary, indro, nisy vongam-piraka boribory naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao anatin'ny vata famarana.

8. Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin'ny vata famarana io; ary natontany teo am-bavan'io ny vato firaka.

9. Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan'ny tany sy ny lanitra ny vata famarana.7

10. Dia hoy izaho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran'ireto ny vata famarana.

11. Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin'ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin'ny fipetrahany izy.