Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Zakaria 1:13-17 Malagasy Bible (MG1865)

13. Dia novalian'i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.

14. Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Jerosalema sy Ziona Aho.

15. Ary tezitra indrindra Aho amin'ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.

16. Koa izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin'ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.

17. Miantsoa indray hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an'i Ziona ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray.

Vakio ny toko manontolo Zakaria 1