Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Zakaria 1:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tamin'ny volana fahavalo tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, nanao hoe:

2. Tezitra indrindra tamin'ny razanareo Jehovah.

3. Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

4. Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin'ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalanareo ratsy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.

5. Ny razanareo - aiza moa ireny izao ? Ary ny mpaminany - moa velona mandrakizay va ireny?

6. Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.

7. Tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo (volana Sebata izany) tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, ny tenin'i Jehovah nanao,hoe:

8. Nahita tamin'ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin'ny rotra teny an-dohasaha, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.

9. Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin'ireo.

10. Ary ralehilahy izay nijanona teny amin'ny rotra dia namaly hoe: Ireo dia nirahin'Jehovah hivoivoy eny amin'ny tany.

11. Ary namaly Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teny amin'ny rotra ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin'ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.

Vakio ny toko manontolo Zakaria 1