Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Tonon-Kiran'i Solomona 8:4-10 Malagasy Bible (MG1865)

4. Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.

5. Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, mitehina amin'ny malalany? Teo ambanin'iny hazo poma no namohazako anao; Teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian'ilay niteraka anao.

6. Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon'i Jehovah.

7. Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon'ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; Na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hamidy fitiavana, dia hatao tsinontsinona izy.

8. Manana zandrivavy tsy mbola misy nono izahay; Ahoana no hataonay amin'ny zandrivavinay, raha mby amin'izay andro hangatahan'olona azy ho vady?

9. Raha manda izy, dia hanangananay tilikambo volafotsy eo an-tampony; Fa raha varavarana kosa izy, dia hotampenanay hazo fisaka sedera.

10. Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita soa aho.

Vakio ny toko manontolo Tonon-Kiran'i Solomona 8