Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Tonon-Kiran'i Solomona 8:10-14 Malagasy Bible (MG1865)

10. Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita soa aho.

11. Solomona nanan-tanim-boaloboka tao Bala-hamona; Nahofany tamin'olona mpiandry voly ny tanim-boaloboka, ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon'ny vokatra.

12. Ny tanim-boaloboko, eny, ilay an'ny tenako, dia eto anatrehako, Ny arivo kosa dia anao, ry Solomona, ary ny roan-jato ho an'izay mpiandry voly.

13. Ry mitoetra eny an-tsaha! Te-hihaino ny feonao ireo namako; Mba ampandreneso izany koa aho.

14. Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitry ny zava-manitra.

Vakio ny toko manontolo Tonon-Kiran'i Solomona 8