Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Tonon-Kiran'i Solomona 4:6-16 Malagasy Bible (MG1865)

6. Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin'ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona.

7. Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.

8. Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon'i Amana, eny an-tampon'i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.

9. Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, efa lasanao ny foko tamin'ny masonao an-ila sy tamin'ny rojo anankiray amin'ny vozonao.

10. Akory ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran'ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon'ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra!

11. Mitete tantely toy ny avy amin'ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin'ny lelanao, ary ny fofon'ny fitafianao dia tahaka ny fofon'i Libanona.

12. Saha voahidy ny havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.

13. Hianao no saha anirian'ny ampongaben-danitra tsara voa, sady misy kofera sy narda,

14. Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra Mbamin'ny zava-manitra tsara rehetra;

15. Loharano ao an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona.

16. Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan'ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatį»³ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.

Vakio ny toko manontolo Tonon-Kiran'i Solomona 4