Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 99:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin'ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany.

2. Lehibe any Ziona Jehovah; Ary avo ambonin'ny firenena rehetra Izy.

3. Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masina Jehovah.

4. Ny herin'ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin'i Jakoba.

5. Manandrata an'i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin'ny fitoeran-tongony; Fa masina Izy.

6. Mosesy sy Arona tamin'ny mpisorony, Ary Samoela tamin'izay mpiantso ny anarany, Niantso an'i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy.

7. Niteny taminy tao anatin'ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy.

8. Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza.

9. Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masina; Fa masina Jehovah Andriamanitsika.

Vakio ny toko manontolo Salamo 99