Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 97:3-12 Malagasy Bible (MG1865)

3. Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.

4. Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.

5. Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan'i Jehovah, Dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.

6. Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny.

7. Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin'ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan'i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra.

8. Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin'i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.

9. Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin'ny tany rehetra; Efa avo ambonin'ny andriamanitra rehetra Hianao.

10. Hianareo izay tia an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy Ary mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy.

11. Ny fahazavana no voafafy ho an'ny marina, Ary ny fifafiana ho an'ny mahitsy fo.

12. Mifalia amin'i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masina.

Vakio ny toko manontolo Salamo 97