Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 96:5-13 Malagasy Bible (MG1865)

5. Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra.

6. Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin'ny fitoerany masina.

7. Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah.

8. Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.

9. Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra.

10. Lazao any amin'ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin'ny fahamarinana Izy.

11. Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy.

12. Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin'izay ny hazo rehetra any an'ala

13. Eo anatrehan'i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin'ny fahamarinany.

Vakio ny toko manontolo Salamo 96