Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 94:17-23 Malagasy Bible (MG1865)

17. Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin'ny mangingina ny fanahiko.

18. Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.

19. Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.

20. Hikambana aminao va ny seza fiandrianan'ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna?

21. Manao andiany hamely ny fanahin'ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina.

22. Fa tonga fiarovana avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro.

23. Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan'i Jehovah Andriamanitsika izy.

Vakio ny toko manontolo Salamo 94