Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 93:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikina hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.

2. Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin'ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao.

3. Mamandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka.

4. Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr'i Jehovah any amin'ny avo.

5. Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô.

Vakio ny toko manontolo Salamo 93