Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 92:11-15 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary faly ny masoko mahita ny amin'ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin'ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy.

12. Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy;

13. Efa nambolena tao an-tranon'i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan'Andriamanitsika;

14. Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy,

15. Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.

Vakio ny toko manontolo Salamo 92