Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 89:29-38 Malagasy Bible (MG1865)

29. Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny lanitra.

30. Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,

31. Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany,

32. Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.

33. Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,

34. Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako.

35. Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin'ny fahamasinako, Tsy handainga amin'i Davida mihitsy Aho:

36. Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;

37. Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra.

38. Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin'ny voahosotrao Hianao.

Vakio ny toko manontolo Salamo 89