Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 88:6-14 Malagasy Bible (MG1865)

6. Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin'ny maizina, dia ao amin'ny lalina.

7. Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko.

8. Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao. fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka.

9. Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isan'andro aho, Mamefy tanana aminao aho.

10. Haneho fahagagana amin'ny maty va Hianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao?

11. Hotorina any am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin'ny fandringanana?

12. Ho fantatra ao amin'ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin'ny tany fanadinoana?

13. Fa raha izaho, dia Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina.

14. Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko?

Vakio ny toko manontolo Salamo 88