Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 88:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Ho an'ny mpiventy hira. Almahalath-leanoth. Maskila nataon'i Hemana Ezrahita. Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman'alina no itarainako eo anatrehanao;

2. Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano amin'ny fitarainako ny sofinao;

3. Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita.

4. Natao ho isan'izay midina any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;

5. Efa nafoy ho any amin'ny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.

6. Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin'ny maizina, dia ao amin'ny lalina.

7. Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko.

Vakio ny toko manontolo Salamo 88