Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 85:7-13 Malagasy Bible (MG1865)

7. Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao.

8. Hihaino izay holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy, dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo.

9. Eny tokoa, akaikin'izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny tanintsika.

10. Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana.

11. Ny fahamarinana mitsimoka amin'ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra.

12. Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra.

13. Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.

Vakio ny toko manontolo Salamo 85