Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 85:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ny Koraita. Jehovah ô, efa naneho fitia tamin'ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin'ny fahababoany.

2. Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra.

3. Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin'ny fahatezeranao mirehitra.

4. Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.

5. Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao?

6. Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian'ny olonao aminao?

Vakio ny toko manontolo Salamo 85