Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 83:15-18 Malagasy Bible (MG1865)

15. Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin'ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin'ny tafio-drivotrao.

16. Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô.

17. Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.

18. Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra.

Vakio ny toko manontolo Salamo 83