Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 83:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tonon-kira. Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, aza mangina; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô.

2. Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.

3. Ny olonao no iokoany amin'ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.

4. Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran'Isiraely.

5. Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao,

6. Dia ny lain'ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita,

7. Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin'ny mponina any Tyro.

8. Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin'ny taranak'i Lota ireo.

9. Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an'i Sisera sy Jabina teo amin'ny ony Kisona;

10. Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy.

11. Ataovy tahaka an'i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an'i Zebaha sy Zaimona,

12. Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan'Andriamanitra.

13. Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin'ny rivotra,

Vakio ny toko manontolo Salamo 83