Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 80:4-12 Malagasy Bible (MG1865)

4. Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin'ny fivavaky ny olonao ny fahatezeranao?

5. Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.

6. Ataonao ho fifandirana amin'ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.

7. Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.

8. Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.

9. Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.

10. Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo.

11. Nampisandrahaka ny rantsany hatramin'ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin'ny Ony.

12. Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan'izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?

Vakio ny toko manontolo Salamo 80