13. Ny lambo avy any an'ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
14. Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.
15. Arovy izay nambolen'ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.
16. Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran'ny tavanao izy.
17. Aoka ny tananao ho amin'ny lehilahin'ny tananao ankavanana, dia amin'ny zanak'olombelona izay nampaherezinao ho Anao.
18. Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.
19. Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.