Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 8:3-9 Malagasy Bible (MG1865)

3. Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,

4. Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?

5. Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.

6. Efa nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin'ny tongony,

7. Dia ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa,

8. Mbamin'ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,izay mandeha amin'ny lalan-dranomasina.

9. Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra!

Vakio ny toko manontolo Salamo 8