Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 79:7-13 Malagasy Bible (MG1865)

7. Fa efa nandany an'i Jakoba izy ireo sady nandrava ny fonenany.

8. Aza tsarovana aminay ny heloky ny razanay; aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantrànao, fa reraka indrindra izahay.

9. Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao.

10. Nahoana ny jentilisa no hanao hoe: aiza izay Andriamaniny? aoka ho fantatra amin'ny jentilisa eo imasonay ny famaliana ny ran'ny mpanomponao izay nalatsaka.

11. Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fisentoan'ny mpifatotra; araka ny halehiben'ny sandrinao dia arovy tsy ho faty ny zanaky ny fahafatesana.

12. Ary valio impito heny ho ao an-tratran'ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nanaratsiany Anao, Tompo ô.

13. Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin'ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao.

Vakio ny toko manontolo Salamo 79