Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 78:67-72 Malagasy Bible (MG1865)

67. Dia nanary ny lain'i Josefa Izy, ary ny firenen'i Efraima tsy nofidiny.

68. Fa nifidy ny firenen'i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.

69. Dia nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.

70. Dia nifidy an'i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan'ondry;

71. Tany amin'ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an'i Jakoba olony sy Isiraely lovany;

72. Dia niandry ireo araka ny hitsin'ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan'ny tànany.

Vakio ny toko manontolo Salamo 78