Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 76:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra eo amin'ny Joda; malaza eo amin'ny Isiraely ny anarany;

2. Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.

3. Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana.

4. Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin'ny tendrombohitra fitohàna.

5. Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra.

6. Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr'i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.

Vakio ny toko manontolo Salamo 76