Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 75:4-10 Malagasy Bible (MG1865)

4. Hoy izaho tamin'ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin'ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;

5. Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka.

6. Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana.

7. Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.

8. Fa misy kapoaka eo an-tànan'i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany dia hitroka ny faikany.

9. Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an'Andriamanitr'i Jakoba.

10. Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.

Vakio ny toko manontolo Salamo 75