Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 73:3-10 Malagasy Bible (MG1865)

3. Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy.

4. Fa tsy misy fanaintainana amin'ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny.

5. Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.

6. Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba.

7. Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny fony.

8. Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy.

9. Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany.

10. Izany no itodihan'ny olony hankany aminy; ary rano be no gohin'ireny;

Vakio ny toko manontolo Salamo 73