Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 73:18-28 Malagasy Bible (MG1865)

18. Eo amin'izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.

19. Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy!

20. Tahaka ny anaovan'ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik'ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao.

21. Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako,

22. Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby teo anatrehanao aho.

23. Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.

24. Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin'ny voninahitra aho.

25. Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao.

26. Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.

27. Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.

28. Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.

Vakio ny toko manontolo Salamo 73