Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 73:15-24 Malagasy Bible (MG1865)

15. Raha tahìny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao.

16. Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany.

17. Mandra-piditro tao amin'ny fitoera-masin'Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany.

18. Eo amin'izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.

19. Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy!

20. Tahaka ny anaovan'ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik'ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao.

21. Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako,

22. Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby teo anatrehanao aho.

23. Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.

24. Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin'ny voninahitra aho.

Vakio ny toko manontolo Salamo 73