Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 73:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra mahasoa ny Isiraely tokoa, dia ny madio fo.

2. Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako,

3. Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy.

4. Fa tsy misy fanaintainana amin'ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny.

5. Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.

6. Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba.

7. Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny fony.

Vakio ny toko manontolo Salamo 73