Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 7:13-17 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ary ireo dia kendreny amin'ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.

14. Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza;

15. Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin'ny longoa nataony ihany izy;

16. Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran'ny loza nataony.

17. Hidera an'i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo Indrindra.

Vakio ny toko manontolo Salamo 7