Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 69:26-36 Malagasy Bible (MG1865)

26. Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian'ny voatsindronao dia lazalazainy.

27. Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin'ny fahamarinanao izy.

28. Aoka hovonoina tsy ho eo amin'ny bokin'ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin'ny marina.

29. Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy.

30. Hankalaza ny anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana aho, ary hidera Azy amin'ny fisaorana.

31. Fa ho sitrak'i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr'ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro.

32. Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an'Andriamanitra.

33. Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny.

34. Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy.

35. Fa Andriamanitra hamonjy an'i Ziona sady hanangana ny tanànan'ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony;

36. Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany.

Vakio ny toko manontolo Salamo 69