Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 69:16-33 Malagasy Bible (MG1865)

16. Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben'ny fiantranao.

17. Ary aza manafina ny tavanao amin'ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Hianao.

18. Hatony ny fanahiko, avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny ataon'ny fahavaloko.

19. Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra.

20. Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita.

21. Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho.

22. Aoka ho fandrika ho azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an'ny tsy manana ahiahy.

23. Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany.

24. Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan'ny fahaviniranao.

25. Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy.

26. Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian'ny voatsindronao dia lazalazainy.

27. Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin'ny fahamarinanao izy.

28. Aoka hovonoina tsy ho eo amin'ny bokin'ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin'ny marina.

29. Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy.

30. Hankalaza ny anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana aho, ary hidera Azy amin'ny fisaorana.

31. Fa ho sitrak'i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr'ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro.

32. Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an'Andriamanitra.

33. Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny.

Vakio ny toko manontolo Salamo 69