Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 68:9-20 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin'ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.

10. Ny olonao tamàn-toerana teo; mamboatra ho an'ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô.

11. Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.

12. Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo.

13. Raha mandry eo amin'ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena tsara

14. Raha aelin'ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona.

15. Tendrombohitr'Andriamanitra ny tendrombohitr'i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr'i Basana.

16. Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian'Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah.

17. Ny kalesin'Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin'ny itoerana masina.

18. Efa niakatra ho any amin'ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin'ny olombelona Hianao - eny, teo amin'ny maditra aza,- mba hitoeran'i Jehovah Andriamanitra any.

19. Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan'andro isan'andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika.

20. Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an'i Jehovah Tompo ny fanafahana amin'ny fahafatesana.

Vakio ny toko manontolo Salamo 68