Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 68:19-30 Malagasy Bible (MG1865)

19. Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan'andro isan'andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika.

20. Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an'i Jehovah Tompo ny fanafahana amin'ny fahafatesana.

21. Fa Andriamanitra mamely mafy ny lohan'ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an'izay mandroso amin'ny fahadisoany.

22. Lazain'ny Tompo hoe: hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin'ny ranomasina lalina Aho,

23. Mba hampihosenanao rà ny tongotrao, ary ho anjaran'ny lelan'ny amboanao ny fahavalo.

24. Efa hita ny fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny fandehanan'Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin'ny fitoerana masina.

25. Mialoha ny mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan'ny zatovovavy mively ampongatapaka.

26. Misaora an'Andriamanitra eo amin'ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, ianareo ary amin'ny loharanon'ny Isiraely.

27. Indry Benjamina kely, mpanapaka azy, ny antokon'ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly.

28. Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.

29. Noho ny tempolinao eo an-tampon'i Jerosalema, no hitondran'ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.

30. Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian'ny ombilahy mbamin'ireo vahoaka zanak'omby, dia izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady

Vakio ny toko manontolo Salamo 68