Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 65:7-13 Malagasy Bible (MG1865)

7. Mampitsahatra ny firohondrohon'ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban'ny firenena.

8. Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran'ny tany; ny any amin'ny fiposahan'ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.

9. Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao - Ny onin'Andriamanitra dia tondra-drano - Mamboatra vary ho an'ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.

10. Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao.

11. Satrohanao voninahitra ny taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka.

12. Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikina fifaliana ny havoana.

13. Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.

Vakio ny toko manontolo Salamo 65