Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 64:3-10 Malagasy Bible (MG1865)

3. Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy.

4. Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra.

5. Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany?

6. Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin'ny olombelona, dia ny fony.

7. Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan'ny zana-tsipìka no fahavoazany.

8. Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra izay rehetra mahita azy.

9. Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon'Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany.

10. Mifaly amin'i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.

Vakio ny toko manontolo Salamo 64