Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 64:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin'ny tahotro ny fahavalo.

2. Afeno aho tsy ho azon'ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy,sy ny fitabataban'ny mpanao ratsy,

3. Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy.

4. Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra.

5. Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany?

6. Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin'ny olombelona, dia ny fony.

Vakio ny toko manontolo Salamo 64