1. Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin'ny tahotro ny fahavalo.
2. Afeno aho tsy ho azon'ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy,sy ny fitabataban'ny mpanao ratsy,
3. Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy.