Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 61:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Nataon'i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako.

2. Any am-paran'ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin'ny vatolampy izay avo ka tsy tratro;

3. Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.

4. Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao aho,

5. Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan'izay matahotra ny anaranao.

6. Halavao ny andron'ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro.

7. Aoka hitoetra eo anatrehan'Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy;

8. Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan'andro ny voadiko.

Vakio ny toko manontolo Salamo 61