Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 60:3-12 Malagasy Bible (MG1865)

3. Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.

4. Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana.

5. Mba hahafahan'ny malalanao, dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.

6. Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an'i Sekema; ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;

7. Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron'ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;

8. Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.

9. Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma?

10. Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin'ny antokon'ny miaramilanay, Andriamanitra ô?

11. Vonjeo amin'ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.

12. Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.

Vakio ny toko manontolo Salamo 60