Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 60:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon'i Davida hampianarana, fony izy nanafika an'i Mesopotamia sy Arama-zoba tamin'ny niverenan'i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin'ny lohasahan-tsira. Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.

2. Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy.

3. Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.

4. Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana.

5. Mba hahafahan'ny malalanao, dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.

Vakio ny toko manontolo Salamo 60