Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 59:3-10 Malagasy Bible (MG1865)

3. Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.

4. Tsy heloko no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.

5. Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin'izay mpivadika ratsy fanahy.

6. Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna.

7. Indro, mirezadrezatra amin'ny vavany izy; sabatra no eo amin'ny molony, fa iza, hono, no handre?

8. Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.

9. Koa noho ny herin'ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.

10. Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon'Andriamanitra faly mijery ny amin'ny fahavaloko aho.

Vakio ny toko manontolo Salamo 59