Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 55:12-19 Malagasy Bible (MG1865)

12. Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,- fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;

13. Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,

14. Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin'ny maro ho ao an-tranon'Andriamanitra.

15. Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin'ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin'ny fonenany, dia ao afovoany.

16. Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy.

17. Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,

18. Ka hanavotra ny fanahiko ho amin'ny fiadanana hahafahako amin'ny adin'ireny amiko, fa maro no miady amiko.

19. Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin'ny taloha, ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an'Andriamanitra.

Vakio ny toko manontolo Salamo 55