Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 55:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin'ny fitarainako.

2. Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,

3. Noho ny feon'ny fahavalo sy ny fampahorian'ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin'ny fahatezerana no ankahalany ahy.

4. Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.

5. Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.

6. Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;

7. Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra.

8. Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon'ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.

9. Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.

10. Hodidininy andro aman'alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;

11. Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin'ny lalàmbeny.

12. Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,- fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;

13. Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,

14. Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin'ny maro ho ao an-tranon'Andriamanitra.

Vakio ny toko manontolo Salamo 55